IZA ? (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA ?

Iza loatra ianao ?
No mandres lav’ izao
Iza re? Lazao
Fa mampanao ny tsy fanao

Iza re, tena iza marina?
Fa potika ny fo
Sasa-lavo tsy tafarina
Miatraika hatrany @ ny loha

Iza re, tiako ho fantatra
Ilay nahatorovana ny fitia
Saha mbola ho ankamantatra
Ho mandrakizay doria

Iza, tena iza tokoa
Fa babo ny fitiavana
Ny endrikao koa tsy loa
Ao anaty miha maintso mavana

BABO
Babo ny fo
Resinao tanteraka
Tsy afa-miala fa vo
Torovana sy reraka

Babo, manaiky izay atao
Na fo izany na saina
Satria ny fitiavana efa resinao
Sady nofihininao tsy nozaraina

Babo, toa ngaba te-hiala
Fa misy zava-mikaly
Dia ilay fitiavana toa adala
Izay tsy mety ritra na ho lany

Babo tena babo
Misy fefi-pitia manodidina
Na dia toa te hiarina fa lavo
Ilay fitiavana izay sasa-mitsingidina

... iza ...

mlanto R.M
--------
Rohy:
976 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136