HO ANAO (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HO ANAO

Ho anao izay mitomany
Fafao ny ranomaso
Fa raha mbola tany koa ny tany
Tsy maintsy misy ny ankaso

Ho anao izay malahelo lava
Alaviro ny famoizam-po
Fa zava-doza sady mandrava
Ny fanahy izany, ary tena mandrava tokoa

Ho anao mety kivy foana
Tsy nisy andro miratra eo amin’ ny tava
Raha jerena ianao dia toy ny nisaona
Ary toy ny hoe: ho samba sy rava

Mijoro ka mahereza
Atrakao foana ny loha
Ny alahelo fahoriana tsy hateza
Mbola ho samba sy ho lo

Fa izao fotsiny no ataovinao
Dia ny mampahery tena
Eny mety efa makaleo lav’ izao
Raha banjinina sy jerena

Tsarovy fa tsy maintsy misy ny olana
Na manana ianao na mahatra
Eny mety mampitonatonana
Toa tsy misy manampy tsy misy mihantra

Mba efa nosaininao ve ry namana
Fa misy tena tianao izay
Vonona ny hanolo-tanana
Io olana izay efa tsisy mpandray

Tsy aleonao ve mitia Azy
Dia hiaraka ianareo
Sady Izy tena tia fa tsy vazivazy
Mahay mampitraka anao mitoreo

Efa ela Izy no te-hanampy
Sy hitondra ilay enta-benao
Vonona ny hanohana sy hiatsampy
Ka hanafongotra ilay alahelo tsy ho ao

Jesosy no Anarany
Raha tinao ho fantatra
Mahonena ny tantarany
Nefa nandresy Izy ka fantratra

Maneke ary Azy re!
Ho eo amin’ny fiainanao
Dia hohitanao fa hiova ilay tare..
Izay kivy fon’ izao.

mlanto
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana
1402 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148