ENDRIKA (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENDRIKA


Endri-java-voamboatra satri-banjinina
Kanto loatra tiana alaina ho fihinina
Ka tsy hivotsotra ao am-po sy an-tsaina
Na alina izany, na atoandro na maraina

Fa dia endri-javatra tena lafatra
Raha zahavina ihany koa dia voakolo fatratra
Endrika mampisy fakam-pitia ao anaty
Tsy mambotry fo na halany vatsy

Mavelom-bolo ny fandinihana ilay endrika
Sady mandrotsirotsy toy ny sambo-pitia tsy ho rendrika
Satria tena hafa re izany raha hatsarana
Tsy mampandao ny maso fa mahatamana

Endri-javatra tena mahavariana
Tsy mampatorim-pitia na koa mahasondriana
Fa dia endrika tena endrika hafa-kely
Tsy hay angamba mety ho anjely.

… ny endrikao ….

Mlanto R.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
804 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101