VAHINY HAFAHAFA (mlanto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAHINY HAFAHAFA

Ho avy ianao, tsy hay hoe: Rahoviana?
R’ ilay vahiny antsoina hoe: RAFAHAFATESANA na fahoriana
Fa raha ho tonga ianao, toa tsy mampandreha mialoha
Fa dia indro avy tapoka tokoa

…jereo anie
Raha mipetraka izahay toy ny miandry
Maka ny endrikao indray raha matory mandry
Mandeha eny an-dalana toa mandroso mitsena anao
Mitsangana indray miandry tsy afa- mandao

Ianao ilay vahiny tsy hampoizina
Izay manohitra na miady aminao dia toa voahozina
Satria miezaka tsy hampiantrano anao ny rehetra
Fa dia indro tonga ianao manao amboletra

Tafiditra ianao kanefa avy eo lasa
Hoetinao hanaraka anefa izahay ho amin’ ny toera-kafa
Ny lalana aleha anefa tsy azo hiverenana
Fa any tafajanona mody vovoka mandry hivelevenana!

… Vahiny hafahafa…

mlanto R.M
--------
Rohy:
863 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : mlanto
Nampiditra : mlanto
Daty : 13/06/2014 14:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138