Tamin'ny ora voalohany va (Myh'Andry)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny ora voalohany vao nihaonantsikaDia nihontana tsy zaka ny doboky ny foko
Ny lasako rehetra toa tsy nisy notsaroako
Fa tsapako nanonja, nitroatra te hiampita
Hiantefa any aminao ny kalokalon-tsaiko
Eny, marina dia izao, tia aho fa efa haiko.
Toa babonao sahady ity foko kely adala
Saingy efa haiko fa tsy anjara....
Ka naleoko indray mangina,
Hononiko ny foko fa ndrao hibaby ratra
Ndrao ho rotidrotika raha sanatria tsy ho tiana
Ndrao ny fisianao no hamongatra ny lasa.
Myh'Andry 2023
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/myhandry/taminny-ora-voalohany-va