16decembre2017 (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
16décembre2017

Androany izany
ilay andro malaza
izay niandrasana hatrany
fa andro voalaza

fa hoe androntsika
izay hafana tsy hangatsiaka
hafaliana mamy aoka izany
haravoa mampitomany

ranomasom-pifaliana
ny anao re ry tiana
mitampify an-tratrako
fa ho hasambarako

andro miavaka ny anio
ka izao no tadidio
fa andron-tsika ny
16decembre ry cherie
--------
Rohy:
Sokajy : Fanambadiana - Fitiavana
883 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154