Ahy ianao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ahy ianao

Efa ahy ianao ry tiako
Ahy irery ho doria
Izay no mba faniriako
Ny hitantana an-dry

Tsy homeko an'iza intsony
Fa hajaiko sy lalaiko
Fa efa ahy izato fony
Eny, hatramin'ny aiko

Ireo tsy tia sy mpankahala
Dia ataonay hiala maina
Ny anay efa anjara
Mandrampiala ny fofonaina

Ireo mitady hanasaraka
Dia ho reraka eo izy
Izahay vao maika anie miaraka
Ary tsy mba mety ho kivy

Efa ahy ianao malalako
Izaho koa malalanao
Ny hany fahasambarako
Mandrakizay "IZAHO SY IANAO"
--------
Rohy:
1141 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116