You are here: home > Vetso

Aingam-po - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Aingam-po

sento tokana monja
ainga izay mitondra
ilay hembona tsy nahy
izay nampisento ahy

sento tena lalina
ainga izay hanina
tsiaro ilay tiana
misento mangina

sentom-pahatsiarovana
ainga izay tsiaro
tsiaro sy halelovana
halahelo mifangaro

sento iray mankany
manantona malala
sento tena mamy
mitondra ahy ry lala

Sokajy : Aingam-po, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha