Anatra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anatra

Anaka
Aza raisina akory hoe tsy fitiavana izao
Fa tena fitiavana matoa aho miteny anao
Satria ny hendry ihany hono no hanarina
Hanarina tsy ho any an-kady no hivarina
Atoro sy ahitsy amin'izay tokony ho aleha
Mba ho soa fianatra raha hatr'izay lehibe

Tsy tiako ianao anaka hijaly any aoriana
Tsy tiako ianao hiaina anaty fahoriana e
Tsy tiako ianao hibaby kitra rahatr'izay
Ka mananatra aloha aho tsy hisian'izay
Satria zanaka tiako sy tsy foiko ianao
Tiako hahamiratra tokoa ny ho avinao

Anaka
Tsy mba sasatra aho ny mananatra foana
Tsy mba reraka raha mbola misy fotoana
Fa raha mbola velon'aina aho ry zanako
Tsy maintsy mananatra anareo taranako
Tsy maintsy manoro sy miteny anao aho
Satria zanako tiako sy mamiko anie ianao

Tsy izaho mihitsy no hanolo bato mafana
Sanatria amiko izany ry zanako malala
Aza ampitondraina ny mangidy aho anaka
Satria ianao ihany anie no hany taranaka
Ity reninao mahantra, efa osa sy reraka
Akory tsy mba ho afaka ny hiteraka e

Anaka
Efa antitra aho ka tsy ho afaka hiteny
Tsy ho afaka ny hibedy intsony i Neny
Ka tohizo ny fahendrena anananao
Tohizo ny fandeferana sy fikirizanao
Hajao tsara ny vady sy ny ankohonanao
Hajao ny izay nomen'Andriamanitra anao
--------
Rohy:
1515 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118