Ankafiziko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankafiziko

ny mpanoratra ankafiziko
izay efa nofinidiko
ary mety tsy ho tsiny
raha mitia ireo fahiny

tranainy sy lehibe
mahay sy mahafehy
ireo teny malagasy
tsy avelany hangasiasy

dia i George Andriamantena
no tena mba fiako
izy mahaleo-tena
mahatonga izy ho tiako

dia i Salomon Razakandrainy
izy koa efa tranainy
amin'io kanto io
tiako, tsiaro anio
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
715 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156