Ankasom-pitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ankasom-pitiavana

ranomaso nameno ny tava
halahelo tsy maty ao am-po
ilay fitiavana no indro rava
nankarary, nikiky ny fo

ny saina tsy nino satria
tsy nampoizina ny zava-nitranga
nofy ilay hoe doria
ny fiainana mahatsiaro banga

ny eritreritra tsy hay hajanona
mamisavisa ireo zava-bita
ny ho avy izay mbola tazanina
maizina, mbola tsy hita

ny fo tsy mety ho tony
fery sy ratra, takaitra
fa izy tsy ho hita intsony
mangidy sy tena mafaitra

mihetraketraka loatra ny tany
mampisaraka ireo olom-pitia
izay mafy tsy misy ohatr'izany
fa izany ny ankasom-pitia

tsy ho zaka, toa mila tsy ho tanty
raha izany no iainam-pitiavana
mamela fery, maratra anaty
noho ny ankasom-pitiavana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2034 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158