Aretina ny fitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aretina ny fitiavana

fitiavana ihany
no fanafodin'io fitiavana io
raha voadona ianao tany
dia izao no tadidio

raha nilaozan'olon-tiana
ianao ka hoe nangina
mihetseha mitady hafa
fa izay no maha fafa

raha sanatria indray ka hoe
nodimandry ilay tiana
dia soloy vaovao hafa re
hanadinoina sy anariana

raha hoe nampijaliana fotsiny
ka nilaozany nisataka kely
io fitiavana io ihany no fanafodiny
dia io fitiavana io irery

io fitiavana io ihany
no fanafodin'izany rehetra izany
raha fitiavana no aretina
fanafody tsisy pentina
--------
Rohy:
917 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153