Atolotro ho anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho anao
ity tononkalo ity
hanoratako ho anao
ity dia-mpeniko ity

ventso sy kalo ho azy
miainga avy ao anaty
tsikitsiky,vazivazy
manakoako tsy satry

ho ventesiko ao am-po
mangina moramora
ilay bitsikin'ny fo
milanto miangola

ho kaloiko ao anaty
ny alina mangina
hembona hembona tsy tanty
ny ventsom-pifaliana

ho hasandratro ho anao
ny irony kintana mamiratra
ho feno fitia ny fonao
ny hendrika ho mirana

ho takariko ho anao
ny volana eny ambony
hibalika soa vaovao
ny halahelo ho tony

ho atolotro ho anao
ny mamy izay ananako
hizarako ho anao
Eny izay mba fananako
--------
Rohy:
Sokajy : Natiora - Fitiavana
1553 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117