You are here: home > Vetso

Atosim-pitiavana - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Atosim-pitiavana

misy hery hafahafa
izay manosika ahy avao
manery mba hitafa
hiresaka aminao

toa hery miredareda
mamadika ny lela
hitory ilay fitia
aminao ihany akia

toa entin-javatra izany
toa manidina koa
miboletra mankany
manitsy, aminao tokoa

hay, atosim-pitia avy aoriana
miletra, mitady olon-tiana
dia any aminao no mianjera
ilay fitia tena midera

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha