Aza manitsaka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza manitsaka

Tsy foiny ianao, Tsy tiany ho any hafa
Te hiangavy izy, Hitalaho aminao
Nefa manahy koa, Sao Ho sarahinao
Izy tsy mahafoy, Ary efa lalim-paka

Miezaka izy manatsara, Mba ho tena tia azy ianao
Ataony sy hajainy, Indrindra ireo tianao
Tsy nisy tsy nataony, Izay navoakan'ny vavanao
Nekeny sy notoaviny, Izay ahafaly anao

Izy mba nanantena, Hoe hanaja azy ianao
Tsy tsapanao akory, Ny fijaliany anatiny ao
Fa nahoana loatra Ianao, no manitsaka azy
Ny fitiavany anao, Tsy nataony vazivazy

Ianao anefa ity, Manitsaka ny fitiavany
Tsy tsapanao izany, Fa izy jamba aminao
Tiany ianao, Eny nafoiny ireo havany
Fa fitiavany anao, Nahatonga azy hanao izao
--------
Rohy:
789 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018