Banjino ny aoriana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Banjino ny aoriana

Aza faly mahazo vola
Manampatra ny filana
Ianao ireo ry madama
Mba fantatrareo moa?
Ny vokatr'izao aoriana
Mbola tsy tara ianao e
Fa aza dia variana e

Jereo ireto sipa kely
Tarisinao hivaro-tena
Dia roboka tokoa izy
Satria mandray vola
Dia vazaha sy karana
No manjifa azy ireo
Saingy tsy fantatrareo
Fa arentina mahafaty
No miandry ka dinio
Dia tsaroy sy tadidio

Ka banjino ny aoriana
Mbola tsy tara mantsy
Raha toa hiova hevitra
Sao tara ka anenina
Tsy nihaino izay tenenina
Ka anjaranao no sisa
Fa ny ahy dia ny mampita
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
822 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156