Diso fanantenana aho (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso fanantenana aho
sa izaho ve no tsy mahay mitia
sa ilay olona mihintsy
no tsy efa tia

Diso fanantenana aho
ianao ilay mba najaina
nefa tsy hanaja akory izaho angambany tsy halaina
rehefa handeha atory

Diso fanantenana aho ireo teny mamy sy voady natao
tavela aho nangina irery nilaozanao

Diso fanantenana aho
ny fijeriko anao ohatrany hoe mba tena tia
nefa hendrika ivelany fotsiny
ilay hoe mpifankatia

Diso fanantenana aho
ianao ilay mba niriako kay nanan'elatra
nanidina tsy hitako
lasa nikopak'elatra

Diso fanantenana aho
satria nijaly taloha
nefa mbola hijaly ankehitriny
dia hadino tokoa ve ilay tsika fahiny

Diso fanantenana aho
nilaozan'olon-tiana mangidy sy mafy
raha ny fiainako fahiny
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Fitiavana
2544 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0116