Diso fiantefa (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Diso fiantefa

Ianao niserana nisoko
Milantolanto famindra
Ianao sendra niherika
Ka sendra nifanojo
Ireto mason-tsika roa
Dia nitselatra ny fo

Dia tsiky no natolony
Ho setriny ilay tsikiko
Natorako tany aminy
Dia ireo masony roa
Sisa no mipitrapitra
No tazako farany
Iza no anarany?

Dia lasa teo ny saiko
Maminany anao foana
Isa minitra sy isan'ora
Eny, Ny andro tontolo
Dia niandry anao teo
Ka tonga izato alina
Tsy hita ianao marina

Tsy nahita tory aho
Ka niandry ny maraina
Hanantena ahita anao
Ny maso efa folo
Mbetika etsy sy eroa
Tsy mety mandry ny fo

Fa mitempo tsy miato
Miandrandra ho anao
Ka maniry anao mafy
Satria lasa adala anao

Indrisy tohina ny foko
Nahita anao nandalo
Nifampitantana ery
Very teo ilay tsiky
Very ilay fanantenana
Ka sento no mazana
Mibosesika tsy tana

Dia matetika no hitako
Ianareo roa miaraka
Tsy nisy tsiky intsony
Na topi-maso iray aza
Niantefa teny amiko
Ny foko nangetaheta
Saingy diso fiantefa
--------
Rohy:
1104 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0201