Embona sy tsiahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Embona sy tsiahy

ilay olona voaloha
nitsirian'ilay fitiavako
indrindra ilay namoha
ny varavaran'ny foko

tsy lasa vady tokoa mantsy
nefa mamy ilay fiarahana
nankarary, mila tsy ho tanty
rehefa injay ilay fisarahana

toa milatsa-dranomaso
mahatsiaro ireny fahiny
indrisy noho ny an-kaso
dia tsy anjarako izy ankehitriny

mamisavisa sisa no azo atao
fa ny lasa tsy hiverina intsony
fa ny mampirafy tsy fanao
satria efa an'olon-kafa ny fony

embona sy tsiahy
izay sisa no mamerina
ireo lasa nampanahy
indrisy tsy azo averina
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
787 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122