Enganie mba ho tsara iny 2018 iny (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Enganie mba ho tsara
ny taona izay ho avy
fa ity 2017 ity
loza ratsy,tena gravy

enganie mba ho soa
iny taona 2018 iny
mba ho tsara avokoa
tsy tahaka ny ankehitriny

enganie mba hiala
izay toetra ratsy rehetra
fa soloana fitiavana
izay tsy misy fetra

enganie mba iova
izay nanao ratsy tamin'ity
ka ho tsara ny mpitondra
amin'iry taona ho avy iry

enganie mba ho lasa
any amin'ity taona daholo
izay tsy nety rehetra natao
ka hivavaka daholo ny olo
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - Aingam-panahy
1055 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162