Eny sa Tsia? (Nalison Randrianaivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny sa tsia?

Tiako ianao
Tiako ho malalako
Eny, Tiako ho anjarako
Tiako ho tantarako
Tiako mba ho farako

Izay ny tao am-poko
Ka asakasakao
Raha ho lavinao
Fa ny ahy rehefa tia
Dia tena tia
Ary vonona hiara-dia
mandrakizay doria

Anjaranao no misafidy
Na ho Eny na ho Tsia
Izaho anefa tsy andidy
Raha toa ianao tsy tia

Kanefa re lazaiko
Fa ny ahy hatramin'ny aiko
No atolotro ho anao
Koa dinio tsara aloha
Fa aza taitaitra
Fa ndrao mivadi-po
Ka hivadika takaitra

Fa ny ahy rehefa izay
Dia izay, mandrakizay
Tia anao aho
Ary ianao ve mba tia ahy?
Aza lavina moa akia
Mba ho Eny fa tsy tsia

Ny Eny ry malala
Dia marika fitiavana
Ny fanekenao rahavana
Ny tsia ry tiako
Dia fijaliako

Ka mahaiza misafidy
Fa izaho tsy hanery
izaho tsy handidy
Na ho Tsia na ho Eny
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
364 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161