You are here: home > Vetso

Eto anatrehanao ry Ray - Nalison Randrianaivo

Azo vakiana?

Ray ô,eto anatrehanao
no anolorako ny tenako
hanao ny asanao
ho lalan-tsara no hizorako

ianao anie ry Ray
no hitantana ny diako
fanilo hanazava
ny alimaizim-pitoko

ka tsy hamela ahy irery
fa itoetra anilako foana
hampiambina ahy ny anjely
hamiratra ho ahy foana foana

Sokajy : Vavaka

Hametraka hevitra

Midira aloha