Fanafodin'ny fitiavana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanafodin'ny fitiavana

marary mafy ianao
mila ho faty mihintsy
noho ilay olona nandao
nanarona ilay tsiky

mikiky ny ati-ponao
ilay izy nirintona lasa
tsy nohenoiny akory ianao
fa ny azy dia hamafa

hoe tapitra hatreo ny antsika
na maro aza ny efa vita
dia avalony ho tantara
fa ny antsika tsy anjara

ka iny izy no dila
fa ianao nangaina teo
sy nitomany mangina
navelany nitoreo

nahararim-pitia ianao
fitia ihany anefa no fodiny
fa avelanao izy handao
fa mitadiava izay ho solony

ekeko fa mafy izany
hoe hamafa ny efa lasa
fa fitiavana ihany
dia indro mahafafa
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1012 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164