Fanambadiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanambadiana

ny tokan-trano fihafiana
ao vao tena ady
aoka tsy handao olon-tiana
amin'izay mianjady

ny adiady tsy maintsy misy
fa mahaiza aloha mandefitra
aseho foana ilay tsiky
dia jereo fa milefitra

ny fanditra sy mifamaly
izany no tena hita ao
aza miteny hoe mijaly
no iainanao ka hoe lao

fa io mila fandeferana
izany no tena fahendrena
fa izay olona tsy tianao tsy ferana
fa mangina ianao ho volamena

mila fahavononana ihany koa
ny fanambadiana ry izy roa
fa tsy hoe taitaitra
ka atao hoe maimaika

mila vonona ny saina
ampanjakao tsy halaina
fa ny tokatrano mamy
milamina ny ankany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1761 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128