Fandeferana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fandeferana

niaritra, tsy niteny
tsy nilaza taminao
fa nandefitra ombieny
nokoboniny ho azy irery
tsy nataony fantatrao

naleony no zakaina
na mafy aza izany
ireo vono tsy hay lazaina
felaka, tehamaina
nokoboniny ho azy ihany

nandrafy azy ianao
nandritry ny volana maro
izy tsy mba nitalaho
tsy niangavy taminao
hoe hatsaharo

fa naleony nandefitra
fa tiany manko ianao
ka izy no nilefitra
izy no nitolefika
nifona taminao

nandohalika taminao
nitomany, niangavy
na mbola inona ho avy
na mangidy toy ny aviavy
dia handefitra foana aho

satria ny fanderena
no mampaharitra fitia
izay ho avy koa tsy ferana
fa mbola vonona aho satria
tiako loatra ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fandeferana - Fitiavana
571 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161