Fanomezan'olon-tiana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanomezan'olon-tiana

hitsingerina ity ilay andro
nanomezanao ahy an'ity
ity famantaran'andro
ho marika fa tena tia

tsy hanaovako isan'andro
tsy tiako ho simba sy haloto
ity famantaran'andro
tany amin'ny malalan'ny foko

tsy ho hentiko mandehandeha
tsy foiko sao ho very
ity izy tsara tarehy
izay natokany ho ahy irery

nataony tsara fono
ka natolony ho ahy
mba ho mafy tsy voavono
ilay fitia tsy hampanahy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1162 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0181