Fetinao androany (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fetinao androany

Malala a
Fetinao ny anio
Ka etsy akipio
Akipio ny masonao
Tolory ahy ny tananao
Fa andro iray miavaka
Izao anio izao
Ka iny misy firavaka
Atolotro ho anao
Firavaka kely
Rojo volamena
Hianao irery
No azoko homena
Homena azy ity
Fa rojon'ny fitia
Misalotra fitiavana
Ka raiso moa rahavana

Malala a
Izao no tsarovy
Fa tiako ianao
Ka na zovy na zovy
Tsy atakaloko ianao
Fa ianao no voafidy
Eny...
Na ho mamy na ho mangidy
No iainan-tsika roa
Kely...
Dia hipetraka aminao irery
Izaho ry malalako
Indrindra ny fitiavako
Fa ianao ilay anjarako

Koa faly miarahaba
Manonona ny vava
Firarian-tsoa ho anao
Izao fetinao izao
Mirary soa indrindra
Ho fiainana mirindra
No iainanao ry tiana
Ho feno fifaliana
Tsy harofy tsy harary
Ho tahin'ilay Nahary
Ny Tompo homba anao
Sy hitantana anao
Hitsilo ny dianao
Hanazava ny haizinao

Ka aoka ianao hifaly
Aoka tsy hitomany
Hadinoy ny omaly
Fa tsy mitovy ny androany
Fa izao no fetinao
Tsingerin-taonanao
Ka aoka tsy tomany
No hiainanao izany
Fa aoka ny hafaliana
No hiontazanao ry tiana
Ny fetinao androany
Mba ho mamy aok'izany
--------
Rohy:
1547 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157