Firariana soa (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Firariana soa

mirary anao aho ho tafita
amin'ny fianarana atao
ka hanohy atrany am-pita
sy ho tafita soa ianao

mirary anao aho ho tojo
amin'izay tiana
ka ho tsara no hifanojo
mba ho fifaliana

mirary anao aho atratra
amin'izay iriana
ho hafaliana tsy ombi-tratra
rehefa tody amin'ilay tiana

mirary anao aho ahavita
indrindra izay atao
ho tomombana ho tafita
ho lavorary ny asanao

mirary anao aho hatanteraka
izay fikasana atao
mba ho tomady tsy ho reraka
ko ahavita soa ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Firariana soa
1242 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0127