Fisaorana anareo rehetra (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa tsy haiko ny tsy hisaotra
anareo izay mankafy ny kaloko
ny tanako no namoaka
ilay fisaorana natolotro

Tsy tao am-bava mantsy
fa ny tanako ihany
no namaly anareo sy namatsy
ilay teny kely fa mamy

Ka fisaorana be dia be
izay ihany re ny mba vitako
fa ny tompo enganie
hamaly anareo izay tsy vitako

na tsy tia na nankafy
dia isaorako daholo
na mpamaky na mpankafy
dia iray tsy vaky volo

Koa mankasitraka sy mankatelina
anareo rehetra rehetra
teny ihany fa tsy azo atelina
nefa mahavaly izay nangetaheta
--------
Rohy:
1211 2
Hevitra mandeha
nalsonrazakariasa2015 ( 14/12/2017 14:26)
Koa dia mankasitraka ANAREO eh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122