Fisarahana mandrakizay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisarahana mandrakizay

Fa dia nahoana loatra
No nosarahinao tamiko
Ilay tiako sady mamiko
Ilay hany mba malalako
Ilay niriko ho anjarako

Nalainao an-keriny
Nohesorinao ny heriny
Hany ka lasanao any
Nosomparanao ry tany
Ilay malalako tsy foiko
Ilay andrin'ity foko

Dia natelinao tsy fidiny
Fa tsy mba nofinidiny
Ny handao ahy izany
Fa nosomparanao ry tany
Ka voatery izahay
Hisaraka mandrakizay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1375 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0274