Fisarahana (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fisarahana

nandefitra ihany aho
nandritry ny taona maro
niangavy, nitalaho
taminao hoe mba atsaharo

nefa indrisy very maina
tsy mba nohenoiny akory
efa impiry aho no nitaraina
tsy mitsahatra, tsy mitony

notohizany ihany
nampijaly ahy hatrany
ny vono tsy hay lazaina
ila hiatra aman'aina

isan'andro vaky izao
tsy misy teny mamy
vao maraina dia mandao
miala ny ankany

indraindray aza tsy mody
fa efa azon'ody
any amin'ilay rafivaviko
no matory ilay vadiko

koa tsy tantiko intsony
tsy tanako, tsy tony
ny hanindry ity foko
nijaly anaty toloko

nahoriko ny entako
vonona aho ny handeha
niandry azy tao ny tenako
mba hampandre

aleo mifampitso-drano
fa tsy zakako loatra izao
ianao nivadi-belirano
tamin'ny toky fitakao

mahalelova, mahalasana
ianareo roa kely
fa ny antsika tsy anjara
aleo misaraka ho irery
--------
Rohy:
987 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123