Fitaka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitaka

tsy olo-tokana ihany
no manao an'izany
fa maro tsy voatanisa
no mampandry adrisa

tsy namana ihany koa
fa ny havana akaiky
dia mamitaka avokoa
izay tena mampiaiky

ny olon-tiana koa dia lazaina
fa mamitaka na mamadika
izay tena mampiferinaina
ny ataony any ambadika

be dia be ireo voafitaka
tamin'ny teny mamy
hay ny toky fitaka
fa tsy voatery ho marina hatrany

tsy olo-tsotra ihany
fa na mpitondra firenena
dia mamitaka hatrany
tena mahasorena

tsy ilaozam-pamitaka eto an-tany
be koa ireo mitomany
indrindra ireo voalaza
fa hoe olo-malaza
dia mamitaka avokoa
mamparary an-doha
--------
Rohy:
Sokajy : Toky - Fitiavana
1206 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165