Fitia voarara (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy natao ho ahy ianao
ny foko anefa toa sahy
mamaly tsy manahy
fa mbola ihaona izaho sy ianao

nefa efa voarara
satria hoe tsy anjara
toa mafy ihany izany
raha tsy anilanao hatrany

kanefa efa noraraina
novoina sy nokendaina
izay fitia taveta tao
nodorana ho lao

tsy nanaiky ihany izy
fa nisisika hatrany
mamikaviky ihany
izay lalana tsy izy
efa voarara hatrany hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
494 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0349