Fitia voromailala (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia voromailala

ilay vorona tokam-po
tsy mba mahay mitia roa
fa ny azy dia tokana ihany
izay no nofinidiny eto an-tany

fady aminy izay hania
fa hajainy ho doria
ka faty ny azy no hisarahana
izay no tena mibahana

izy ireny dia malemy fanahy
tsy mba mety ho voan'ny fakam-panahy
fa ilay tokany ihany no tompoiny
ary tsy mba solosoloiny

lalim-paka ny azy raha mitia
azo toky fa tena ho doria
ny tsy fahatokisana dia tsy misy
fa fitiavana tena feno tsiky

voromailala na domoina
no anaran'izy ireny
ka fitia tsy maty ho vonoina
fa mitoetra ombieny ombieny
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
958 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128