Fomban-dehilahy (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fomban-dehilahy

Niniako natao ireo fihetsika
Mijefijefy sy miantsiantsy
Ka maro tokoa ireo lehilahy
No raraka hivy nahita ahy
Ka mitsiriratra avy hatrany
Dinihany ambony, ambany

Izay lalovako tsy maharay lamba
Angamba nahita hatramin'ny jamba
Izaho miaraka amin'ny zipo kely
Ka noheverin'ireo fa makorely

Misy aza moa ny mangala-pijery
Na dia efa eo anilan'ny tiany
Fa dia voasarik'ity zipo kely
Ô ry ireto ô, aza omena tsiny

Iza tokoa ianareo lehilahy?
No mahavita tsy mijery ireny
Ireo tovovavy mitovy amin'ahy
Dia mijoroa, misahia miteny

Angamba mitovy iray ihany
Ny eritreritra sy ny ao an-tsaina
Ka hoy aho hoe ny lehilahy toy izany
Ka aoka isika viavy tsy hitaraina
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1037 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145