Hajao ny safidim-bahoaka (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hajao ny safidim-bahoaka

Hajao ny safidim-bahoaka
Ny marina re mba havoaka
Fa aok'izay ny fangalarana
Tsarovy fa misy ny farany

Hajao ny safidim-bahoaka
Fehezo izay teny havoaka
Aoka hanjaka eto ny marina
Ny vato aza dia angalarina

Hajao ny safidim-bahoaka
Dieny mbola tsy mitroatra
Ireto vahoaka maro be
Ka miangavy atsaharo re

Hajao ny safim-bahoaka
Tsy rariny sy tafahoatra
Ka miangavy mba atsaharo
Avoahy izay safidin'ny maro

Hajao ny safidim-bahoaka
Milela-paladia re mba aoka
Ampy izay ny fitiavan-tena
Banjino ny ho avin'ny firenena

Hajao ny safidim-bahoaka
Aza sodoky izay vola mivoaka
Fa ny vahoaka no tena mijaly
Marary tsy mahita hohanina
Ka aza hodinareo fanina

Hajao ny safidim-bahoaka
Dieny mbola tsisy basy mipoaka
Ny malagasy tia filaminana
Miandrandra ny fahamarinana

Hajao ny safidim-bahoaka
Ampy izay ny fita-bahoaka
Fa mahantra i Gasikara
Mila mpitondra hikarakara

Hajao ny safidim-bahoaka
Ny fitiavam-bola mba aoka
Aleo hanjaka ny mangarahara
Mba ho avotra i Gasikara

Saino...

Masina ny tanindrazana

Nalison Randrianaivo
--------
Rohy:
937 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012