Halahelo anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Halahelo anao

Raha iny aho ka mandeha irery;
Mahatsiaro anao ilay mitantana ahy.
Mbola tiako, indray hiverina ireny:
Dia hifampatoky ka tsy hisy hanahy.

Raha iny aho matory amin'ny alina!
Mahatsiaro miondana an-tratra.
No indro anie ka torimaso lalina;
No setrin'izany fitia lalim-paka.

Raha iny aho manoratra kalo;
Mahatsiaro anao ilay tokan'ny fo.
Toa tsy ho very, tsy hanampahavalo:
Fa ianao ihany no raikitra am-po.

Ny halahelo anao tsy hay ho lazaina.
Ka mankarary ahy, mikiky ny fo
Isan'andro izao aho no mitaraina;
Rotidrotian'ny jaly tokoa!

Fa ianao tsy hay hoe aiza?
Lavitra ambadika, tsy hita maso;
Fa toy ny zavona ianao ry sakaiza.
Nandositra ahy nampiditra an-kaso.
--------
Rohy:
Sokajy : Halahelo - Fitiavana
1089 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156