Hamonjy ilay malala (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hamonjy ilay malalako

na oram-be mifofo
sy rano lalina mandriaka
na tadio mitara-jofo
tsy hasakana ahy ry tiako

tsy maintsy tonga any aho
tsy maintsy hitako ianao
na ho safo-drano
sy tendromboitra mitatao

hamonjy anao no atondiako
r'ilay tiako tsy foiko
tsy ho hampijaliako
tsy avelako hitoloko

ho avy aho izao dia izao
ho avy hamonjy anao
hamakivaky havahoana
izay manina te hiaona

na rotikin'ny vato
ireto tongotro an-kiroa
na ho tsindrony tsilo
dia tsy maintsy tonga soa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
671 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115