Hanoratra ho anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra aho ho anao
tsy hijanona intsony
hanoratra tsy ho lao
rehefa alina hatory
na ho laniko avokoa
ny page ny kahie
na tamingana daholo
ny penina be dia be
dia hanoratra foana aho
tsy hisy hahasaka ahy
ny ranomainty tsy foana ah
dia izaho tsy manahy
fa voasoratra ao
ilay endrikao,ny bikanao,ny tsikinao
vitako tsianjery
tsy misy tsy voajery
izay mombamomba anao
dia efa voasoratro ao
ao anatin'io boky io
dia jereo sy tadidio
fa izaho hanoratra ho anao foana
isan'ora mandavantaona
tsy hitsahatra mihintsy
raha mbola misy
ny hanoratako ny tsiky
ny bikanao hisalorako
ny endrikao mivoaly
ilay fietsikao dia mamaly
fa ho "eny"ihany koa
ilay valin-teny soa
ka ho ataoko ao ny sary
ilay sarinao mivoaly
eny ambony alitara
miteny manambara
ilay voady ekena
atolotra sy omeno
teneno ambarao
ny voadinao
tsy ho hadinoko ihany
ilay soratro mankany
mampita sy mitondra
ilay raozy diamondra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1073 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159