Hetraketram-pitia (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hetraketram-pitia

Nifanojo samy tia,
Niara-niombona fitia
Lavitry ny fisarahana
Dia nanao voady,
Fa vonona hiady
Ho an'ilay olon-tiana,
Tsy foina, tsy hariana
Satria dia tafaray
Ny tia sy ny tiana
Ka hitambatra ho iray
Ny fo roa mifankatia
Faniriana ny ho doria

Kanefa tato afara
Indrisy fa tsy anjara
Ity no fotoana farany
Niantsoko ny anarany
Takon-drahona teo
Ilay masoandro baliaka
Nanjary nangatsiaka
Ilay hafanana niainako
Maloka ny fiainako
Hirifiry sy sentosento
Tomany sesilany
Raha sendra mandalo eto
Mahatsiaro tamin'izany

Tiako anie izy iny e
Tsy foiko velively
Izaho ankehitriny
Singasingan-drery
Lasa ilay malalako
Nitantana ny tanako
Iza intsony no ahavita
Izay vitanao tamiko
Tsy hisy intsony angamba
Na dia iray monja aza
Nandao ahy ilay tsy foiko
Ilay niatsampazan'ny foko
Lasa tokoa mantsy ianao
Nanorim-piainana vaovao
Eny e, Hetraketrakin'ny fitia
No niainako tety
Ranomaso sy tomany
No iainako eto an-tany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153