Hitia mangina anao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitia anao anie aho
hitia anao mangina
hokoboniko ho ahy
ny ngindim-pijaliana

ho zakaiko samy irery
ny bitsikin'ny foko
na hitoloko hanirery
dia tsia hiova loko

Na tia anao aza aho
tsy mampaninona izany
ny foko sy ny fanahy
hitia mangina anao hatrany

Na mangidy aok'izany
ny mitazona ilay foko
tsy hitraotra ho any
fa aleo ho leferiko

Mankarary izany satria
ilay foko dia tia anao
kanefa tsy hiara-dia
fa hitia mangina anao

Ny halahelo sy tomany
aoka tsy ho lazaiko
mamparary fo hatrany
eny atramin'ny aiko

ny eritreritro mandeha
lasa mankany ho any
miantso antso mafy hoe
hitia mangina anao hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2306 9
Hevitra mandeha
STHDJ ( 12/12/2017 19:33)
Tena miaiky anao za! raha hanoratra tononkalo, "tena mahay", TOHIZO FA TSARA
nalsonrazakariasa2015 ( 14/12/2017 17:09)
Misaotra indrindra r'ise ah
misaotra an'i STHDJ
tononkalokanto2017 ( 19/12/2017 21:58)
Mankasitraka e,marina ny anao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016