Ho anao ry malala (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao ry malala

ho anao ry malala
ity ventsom-poko ity
izay toy ny adala
raha vao iny aho mba nitia

ho anao ry malala
ity trano kely ity
tranom-boromailala
sy tranon'ny fitia
izay voatokana ho anao
sy madio sy vaovao

ho anao ry malala
ity raozy mena ity
ianao no sahaza
hotolorana fitia
izay vonona iaradia
mandrakizay doria

ho anao ry malala
izay atom-pisiako eto an-tany
raha tsy nisy anao ry lala
dia angamba fahoriana hatrany
no niainako teto
niampy sentosento
--------
Rohy:
Sokajy : Ahiahy - Fitiavana
2739 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012