Ho an'ilay tiako izay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'ilay tiako izay

Any izay ilay tiako izay
Asa raha mba mahatsiaro ahy?
Lasa ihany mantsy ny saiko satria
Efa ela ihany no tsy nanoratra indry

Tsy hay na salama tsy hay na marary?
Tsy mba handrenesam-baovao akory
Dia izaho aty no tsy mahinam-bary
Ary ny alina aho tsy mahita tory

Ny sento sy tomany no hany namako
Fa lavitra loatra ahy ilay malalako
Dia inona moa no azoko atao?
Tsy maintsy miandry izay higadonanao

Very hevitra aho fa tsy hita ihany
Firifiry volana aho niandry azy hatrany
Kanefa Indrisy, aiza re ianao?
mijaly loatra Ity malalanao

Dila ny volana lasan-ko taona
Niandry azy aho, nitia azy foana
Izy any angamba nahita vaovao
Dia hadinony tokoa ve izaho?

Eny e,,, any mantsy ianao any
Sambatra ery sy tretrika aok'izany?
Dia tsy mahatsiaro ity olon-tiana
Mahita faisana sy fangirifiriana

Eny e,,, any tokoa mantsy angamba
No mahasambatra sy mahafalifaly
Ka mahavita mameno ny banga
Tsy vitanay izay olona mijaly
--------
Rohy:
1807 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157