Ho Tiaviko mangina (Nalison Randrianaivo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tiaviko mangina

Tiako ianao fa ho tiaviko mangina
Eny, Na ho mangidy aza fahoriana
Aoka ho ahy ihany ny fitiavako
Fa tsy ho lazaiko anao rahavako

Tiako ho aho ianao
Eny mamiko sy tena lalaiko
Ka ho tiaviko izay tratry ny aiko
Ka na ho mafaitra aok'izany
Dia mbola ho tiaviko mangina ihany

Tiako ianao tena tiako tokoa
Ianao irery no niantefan'ity fo
Kanefa na tiako loatra ary ianao
Eny, Eken'ny saiko hatrany hatrany
Dia tsy maintsy ho tiaviko mangina ihany

Na faniriako aza ny anilanao
Ka fitia diso toerana ny ahy izany
Dia mbola tiako, Tiako foana ianao
Fa ho tiaviko mangina hatrany
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1340 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157