Ianao ihany (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ihany

ny tsara sy manja
tsy ritra tsy lany
fa izaho dia manaja
anao hatrany
ny fiainako banga
tsy an-kilanao izany

ny ho tia sy tiavina
mameno tanàna
fa ianao tsy mba lavina
fa mahatamana
mendrika ho toavina
fa ara-dalàna

ny fakam-panahy
indrindra eto an-tany
mandalo ho ahy
fa ianao ihany
izay manam-panahy
sy laniko hatrany

ny elan'elan-tany
sy saran-toerana
tsy maintsy misy izany
tsy azon-tsika ferana
fa ianao ihany
no tiako hionenana

ny mpankahala, tsy tia
mameno ny lalana
ny antsika ho doria
ihany no mibahana
tsy ho rava satria
tsy vonon-kisaraka

na iza tsy ho tia
eto ambonin'ny tany
na iza koa ho tia
fa ianao ihany
no ho tiako satria
tokana hatrany

na be mpankahala, mpanadala
tsy ahoako akory satria
ianao no tiako, ianao no malala
tsy ahasaraka amiko, satria tena tia
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
937 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132