Ianao no fanafodiko (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no fanafodiko

Malala a
Efa niala-nenina i dada sy i neny, Nividy fanafody teny rehetra teny

Saingy... Zavam-poana fotoana very, Fa tsy nahasitrana ahy velively

Eny... Fa ny fananana toy ny fanaka, Tapitra namidy hitsaboana ito zanaka

Indrisy... Fa tamingana avokoa ny sarobidy, Hatramin'ny volamena lafo vidy

Hany heriko sisa no natao, Dia nasaiko nantsoina ianao

Fa efa lany aika ireo fianankaviko, Dia nanontany hoe iza ilay tiako?

Fa any aminao sisa no hery farany, Dia notononiko aveo ny anarany

Ka avy dia niantso anao avy hatrany, Ny ray aman-dreniko izany

Noho ny afaka fotoana kelikely, Dia indro ianao fa tonga nijery

Izaho teo am-pandriana efa osa, Fa vao nahita anao kosa

Dia tafaharina aho rahavako, Ka dia nisokatra ny vavako

Nisinda avokoa ireo nanahirana, Fa faly sy ravo ary miramirana

Koa avy dia sitrana avy hatrany, Raha vao nitsiky ianao izany

Ianao no hany fanafodin'ny aretiko, Sy ireo fijaliana ho entiko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1374 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157