Ianao no tiako (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao no tiako

Maro tokoa ny tsara sy manja
Tsy ho ritra mihitsy angamba?
Kanefa tsy misy iray izay hiriako
Fa ianao ihany no hany tiako

Maro tokoa ny kanto sy meva
Fa ianao ihany no homeko seza
Ka ho ataoko mpanjakan'ny foko
Ho andry hiankinako sy ho tompoiko

Maro tokoa ny bikana sy raitra
Kanefa malala izaho tsy mba taitra
Satria tokana ihany ny faniriako
Dia ianao ihany no hany tiako

Maro tokoa ireo maniry ho tiaviko
Saingy ianao no tiako dia nolaviko
Satria ny fitiavana tsy kilalao
Dia toy izany ny fitiavako anao

Maro tokoa ireo tia tany ho any
Niandry ny fitiavako mba ho any
Kanefa ny foko efa manan-tompo
Dia ianao ihany no lanin'ny foko
--------
Rohy:
2432 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167