Ilay sarinao (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay sarinao

ilay sarinao iray
tiako loatra anie izay
no mbola voatahiry
fitia mankadiry

iny sarinao iny
no mamoha ireo fahiny
ka horoako indray
ianao faha izay

raha iny aho manoroka
avy eo aho malahelo
izay tsy tena molotra
ilay noroaka in-telo

fa sary fotsiny ihany
fa tsy mba molotrao
no reako tamin'izany
indirisy anefa ianao

tsy tiako ho may
tsy foiko tamin'izany
ilay sarinao iray
mbola tiako loatra ihany

iny no mba solonao
horoako, fihininko
mitahiry ny endrikao
avy eo ampiriniko
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
993 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163