Ilay tananay (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io ilay tanana
Tanana naha tamana
Tananay fahiny
Dia ho hadino ve ankehitriny?
Sanatria kosa aloha
Ny fitia azy tsy mety ho loa
Ka aleo ho any indray aloha
Izaho dia hitondra ramatoa
Ho entiko mankany
Amin'ilay ankany
ho teneniko azy hoe
Ato ry Dadabe sy Nenibe
Ato ry Dadatoa sy Nenitoa
Ato ry Dadanaivo sy Neniraivo
Ato ry Dadafara sy Nenifara
Tato izay no nipetraka fahiny
Tonga ato anefa ianao ankehitriny
Ka mipetrapetraha ary izato izy
Andraso eo aho fa iantso ny ankizy
Mpiara milalao
Ampahafantariko anao
Mahafinaritra ny aty?
Tamana ve indry?
Ilay tanana
Niaviany Dada sy Mama
--------
Rohy:
968 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156