Io fitiavana io (Nalison Randrianaivo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Io fitiavana io

Io fitiavana io matetika mampijaly
Indraindray anefa tena mampifaly
Na tsiky na tomany dia mitambatra ao
Kanefa ve izany no hahakivy anao?

Io fitiavana io no lehibe indrindra
Kanefa toy ny ketsa tena mora afindra
Mampisento ary koa mampitomany
Io fitiavana io no hiainana eto an-tany

Io fitiavana io raha lamban'akoho
Dia faty no hisarahan'olon-droa
Ary aina ihany no fetram-pitia
Maharitra mandrakizay doria

Io fitiavana io raha tsy voakolokolo
Dia mety hanjavona toy ny lolo
Ary raha lalaovina dia mety handoro
Ary koa mety hamono
--------
Rohy:
1432 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1223